lundi 2 janvier 2012

Fitiavana ho raiketina sy iainana ity Jobily ity !

ALAHADY 26 febroary 2012 !




Tanteraka soa aman-tsara ny alahady alahady 26 febroary 2012  ilay dia-be fanamarihana sy nanehoan'ny Kristianina rehetra eto Ankadivato fa tena FIANAKAVIANA iray isika rehetra tsy an-kanavaka !
Talanjona sy faly ny manodidina sy ny rehetra teto Antananarivo nahita nahare izany satria dia "Fiangonana fiombonana tokoa" no naseho nandritran'izany Dia-be izany.
Nitovy loko avokoa ny rehetra na tamin'ny "Tee-shirt" na "casquette" na "ecusson" na izy telo miaraka na akanjo fotsy  fotsiny, izany.
Noharabaina manokana ihany koa ireo olona  namorona ny   vavaka sy hiran'ny Jobily faha-50 taona tamin'ny fifaninana.


Nientan-kafaliana tokoa ilay Renin'Andriamanitra sady Renintsika koa no mpiahy rahateo ny Fiangonana Ekar MMIA Ankadivato nahita izany rehetra izany ka tena Vonnahitra sy Dera tokoa ho an'ny Ray, Zanaka ary Fanahy Masina!




Notokanana tamin'io ihany koa ny Tsangambaton'ny Jobily faha-50 taona.



 "Ho voninahitra ho an'ny Raiko, raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro"    Joany 15,8

dimanche 25 décembre 2011

Concert de Noël 30 décembre 2011 

Tontosa soa aman-tsara ny zoma 30 desambra 2011 teo ny "Concert de Noël ", izay hetsika iray ao anatin'ny fankalazana ny Jobily faha-50 taonan'ity paroasy malalantsika ity.
Raha ny tantara no zohina dia mbola tsy nahitana fampisohoana lehibe sy niavaka tahaka ity niseho tamin'ny 30 desambra 2011 ity teto amin'ny Fiangonana Ekar MMI Ankadivato: na nu sehatra, ny haingony... ary indrindra ny antony nanovana azy : Fitiavana sy fifaliana ho an'Andriamanitra sy Ilay Reny Mpiahy ny Paroasy ary ho antsika Kristianina rehetra...(tohiny)


Fandraisana anjara   Olon-dehibe : 2.000 Ar  Ankizy : 1.000 Ar Invitation : 5.000 Ar

jeudi 1 décembre 2011

Messe des Jeunes 18 décembre 2011

"AZA AVELA HANDALO FOTSINY FA MARIHO, SY IRAIKETO ARY IAINO"

Hifamotoana isika rehetra amin'ny alahady 18 desambra amin'ny 08 ora maraina izao hanotrona sy hidera ny Nahary noho ny fahasoavana maro be nomeny antsika indrindra tamin'ny nahavitana soa aman-tsara ny fanavaozana ny andrin-tafo sy ny atiny, ilany atsimo sy afovoany, sy noho ny fizotry ny taom-Jobily ary fangatahana fitahiana ny ahavitan'izany Jobily izany sy ny asa rehetra soa aman-tsara hatramin'ny farany.
Amboary ary ny fotoananao fa ny alahady 18 desambra amin'ny 08 ora maraina izany dia ao amin'ny Ekar Ankadivato ny fotoana : Messe des jeunes mientanentana tsara sady mboly tsy fahitanao no hiarahantsika hidera an'Andriamanitra ! 
Aza adino alahady 18 desambra 2011 @ 8 ora maraina hiatomboka amin'ny fitsaohona ny Sakaramenta Masina na "Adoration" izany.

Vavaka ho an'ny Jobily faha -50 taona ny Ekar MMIA

"AZA AVELA HANDALO FOTSINY FA MARIHO, SY IRAIKETO ARY IAINO"
Izany teny fanentanana mahafinaritra be izany no entin'ny Kômisiôna Fety sy ny Komity ny Jobily handraisantsika anjara feno sy tena hientanantsika am-pifaliana tokoa hankalaza ny Jobily faha-50 taonan'ny Fiangonantsika.
Hisy hestika marobe fa ny hatao manaraka dia ny fifaninana famoronana "Vavaka ho an'ny Jobily" izay tokony handraisan'ny kristianina lahika rehetra anjara... (Tohiny)