lundi 2 janvier 2012

Fitiavana ho raiketina sy iainana ity Jobily ity !

ALAHADY 26 febroary 2012 !




Tanteraka soa aman-tsara ny alahady alahady 26 febroary 2012  ilay dia-be fanamarihana sy nanehoan'ny Kristianina rehetra eto Ankadivato fa tena FIANAKAVIANA iray isika rehetra tsy an-kanavaka !
Talanjona sy faly ny manodidina sy ny rehetra teto Antananarivo nahita nahare izany satria dia "Fiangonana fiombonana tokoa" no naseho nandritran'izany Dia-be izany.
Nitovy loko avokoa ny rehetra na tamin'ny "Tee-shirt" na "casquette" na "ecusson" na izy telo miaraka na akanjo fotsy  fotsiny, izany.
Noharabaina manokana ihany koa ireo olona  namorona ny   vavaka sy hiran'ny Jobily faha-50 taona tamin'ny fifaninana.


Nientan-kafaliana tokoa ilay Renin'Andriamanitra sady Renintsika koa no mpiahy rahateo ny Fiangonana Ekar MMIA Ankadivato nahita izany rehetra izany ka tena Vonnahitra sy Dera tokoa ho an'ny Ray, Zanaka ary Fanahy Masina!




Notokanana tamin'io ihany koa ny Tsangambaton'ny Jobily faha-50 taona.



 "Ho voninahitra ho an'ny Raiko, raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro"    Joany 15,8