Hira faneva ny Jobily faha-50 taona



"Ho Voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo"
                          Joany 15,8 
Efa fotoana elaela ihany izay no nanaovana ny fifaninanana famoronana ny tononkira sy ny feony ho famantarana sy faneva ny Taon-Jobily faha -50 taonan'ny Fiangonantsika. Tamin'ny alahady 13 novambra lasa teo ny nampahafantarina sy nohiraina voalohany tao am-piangonana ity hira faneva ity :

       
Ny Chorale MMIA no nampihaina ity tononkalo sy feon-kira ity voalohany ny alahady 13 novambra teo
La Chorale MMIA interpretant l'hymne du Jubile du 50eme anniversaire

       1. Dimampolo taona
ny Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato
Izao no ambarako anao,  (x 2)
Fiderana no asandrato (x2)


FIV :       Mitsangàna mirosoa, taomy ny tsirairay
               Raha mamoa anie ny voa, Voninahitry ny Ray
               Mitsangana mirosoa, taomy ny tsirairay
               Raha mamoa anie ny voa, Voninahitry ny Ray


       2. Azo ambara miharihary
be ny ezaka efa vita
isaorantsika ilay Nahary
F’izy no nanampy antsika
       3. Mbola misy ny avo lenta
Ny adidy miandry anao
Ny mandray sakaramenta
aza atao an-kilabao


Mpanoratra :            Marie Rose RAVAONORO (Faritra faha-4)
Asa soratra :            Tononkalo « Raha mamoa »
Feony :                     Sœur Prisca RATSIMANDRESY (Soeur Trinitaire de Valencia)
Mpandrindra :          Hary RAKOTONARIVO
                                Pascal ANDRIHARINISA
                               José ANDRIANAVALONA
                               Chorale MMIA