Concert de Noël 30 décembre 2011

"AZA AVELA HANDALO FOTSINY FA MARIHO, SY IRAIKETO ARY IAINO"
Toy izao raha aseho an-tsary ny zavatra nitranga ny 30 desambra 2011 teo tao amin'ny Ekar Maria Mpanjakan'Iarivo Ankadivato :
Ny sehatra, 10m latsaka ary teo amin'ny lafiny avaratra no nisy azy, niavaka noho ny jiro nandravaka...
La scène du concert mesurant près de 10m
Vavaka fisaorana sy fankasitrahana no nanombohan'ny Pretra ny lanonana.
Le P. Curé rendant grâce à Dieu et à Sainte Marie Reine d'Iarivo
Nampiseho tokoa teto fa mpianakavy isika ka miara-mientana sy miara-mifaly hatrany
L'union de tous pour le Jubilé
Ny Komitin'ny Fankalazana ny Jobily faha-50 taona no nanokatra ny lanonana, nanavao ny voadim-pitokisana sy fahavononana hanohy hatrany ny asan'Andriamanitra, amin'ilay Reny Mpiahy antsika (Hira Hasina 522)

                                      


Miandahy Miambavy, tanora sy zokiny , 14 taona ny zandriny indrindra, ireo no mandrafitra ny Komity na "K-50"
Le comité regroupe jeunes et moins jeunes, hommes et femmes.

"Groupe Karmela" no vahiny voalohany niaka-tsehatra, ary tena nanafana ny lanonana tokoa
Le Groupe Karmela parmi les invités de ce concert
NY Antsan'ny Fanahy Masina Analamhitsy no vahiny manaraka.
Marihina fa ny Komity fankalazana ny Jobily faha-50 taona dia miara-miasa amin'ireo hery velona rehetra misy eto amin'ny fiangonana. Ka ny Komision Fety no manatanteraka ireo programan'asa novolavolaina ary iarahana amin'ny sampan'ny fiangonana ny mikarakara sy manatontosa izany. Ohatra ny Messe des Jeunes dia ny Tafika sy ny Faritra fah-V no tompon'andraikitra tamin'izany, ary ity Concert de Noël ity kosa dia ny Chorale MMIA no nifidy ny vahiny sy ny fandrindrana azy ary ny Komisiona fety no nanatanteraka sy nanampy amin'ny enti-manana rehetra.

ODAM avy ao amin'ny Ekar MD Josefa Mahamasina dia nanafàna ny fanahy sy ny fon'ny mpijery rehetra
La Chorale ODAM de l'ECAR Mahamasina

Ny Chorale MMIA kosa no namarana ny concert tahaka ny nanombohany azy, am-pifaliana sy am-pitiavana be.

Poopy kosa no "invitée surprise" tamin'ity "Concert de Noël" ity, fifaliana lehibe tokoa no nandraisany anjara sy nankafizan'ireo kristianina tonga nijery teto.


M. Thomas no niangaly ny fanentanana sy ny fandaminana rehetra, hisaorana be dia be izy noho izany.


Hafatra, firarian-tsoa sy vavaka no namaranan'i  RP. Vicaire ny lanonana

Hisaorana etoana ireo rehetra nikarakara, nanampy sy nanotrona ity CONCERT DE NOËL 2011 du JUBILE 50eme" ity !
Fitiavana no nandraisanareo andraikitra ka izany fitiavana izany anie hameno ny fiainantsika tsirairay avy !