Ny fankalazana ny Jobily 50e


"Ho Voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo"
                          Joany 15,8
Izany tenin’ny Soratra Masina izany no teny ho entina mankalaza ity Jobily faha-50 taona ity.
Maro ireo hetsika izay kasaina hatao mandritran’ny herintaona ka anisan’izany ohatra :
  • Sorona Masina tamin’ny 25 mai 2011 fanokafana ny taon-Jobily;
  • Sorona Masina ny 25 septambra 2011, ivon’ny fankalazana;
  • Sorona Masina famaranana ny Jobily (may 2012);
  • Fety fiatadiavam-bola sakafom-korana tany amin’ny AkanySoa Fonenako ny 15 may 2011;
  • Varotra samihafa toy ny Tee-shirt, casquette sy ny “gadgets” maro samihafa (ho avy);
  • Fanaovana ireo hestika fanangonana ny ezaky ny kristianina (valopy, rakitra faharoa, fanomezana) sy ny fanentana isan-tokantrano;
  • Sakafom-pihavanana iarahan’ny daholo be (garden party) ao aorian’ny fahavitan’ny asa rehetra sy ho famaranana ny Jobily;
ary ny maro hafa mbola ho lazaina manaraka eto ihany.
Fiangonana nohavaozina, maharitra sady mahafinaritra no hatolontsika kristianina rehetra sy ireo namana mpanampy antsika, ho Voninahitra mamerovero ho an’Andriamanitra Ray Zanaka ary Fanahy Masina, ka ny Fahasoavany sy ny Fitahiany anie hirotsaka amintsika tsirairay avy hahatontosa izany adidy masina izany !

"C'est la gloire de mon Père que vous portiez beaucoup de fruits"    Jean 15,8


Telle est le verset de l’Évangile qui va nous conduire tout au long de cette célébration.


Toutes nos actions seront le reflet de cette Gloire au Père au Fils et à l'Esprit Saint, et que nous soyons dignes de porter les fruits de cette gloire !

RP Curé RAKOTOARISON Jean Marie