Faly miarahaba anao

Tongasoa e!
Faly miarahaba antsika rehetra mitsidika ity pejy ny Ekar Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato ity ! Mankalaza ny faha-dimampolo taonany (50eme anniversaire) ankehitriny ny Fiangonantsika ka mandritra ny herin-taona niantomboka ny 29 mey  201 – fetin’ny paroasy-  no ankalazana izany.
Dimampolo taona… efa misimisy ihany izany, ka hita soritra eny amin' ny tarehy raha olombelona fa eny amin'ny rindrina sy ny tafo kosa ho an'ny Fiangonantsika.
Fanavaozana ny tafo sy ny lokon' ny rindrina ary no tsangam-bato havelantsika amin'ireo taranaka hifandimby ho amin'ny dimampolo taona hisesy.
Efa manomboka izao ny asa fanavaozana ny tafo ary efa vita ny ampahany amin'ny loko (tilikambo, Otely), ka manentana antsika rehetra mba hifarimbona fa ny entan-jarai-mora zaka. Ankasitrahana ary ny fanomezana izay anjara biriky entintsika rehetra na ny eto an-toerana na ny any ivelany. Indro omena etoana ny kaonty ahafahanao mandrotsaka izany :
EKAR Ankadivato, Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato, 101 Antananarivo, Madagascar
RIB n° 00008 / 00005 / 21000189114 / 89  Code Swift BFAV MGMG
(alefao e-mail azafady ny "numéro" ny "ordre de virement ou de versement")
Ho anao izay efa elalela tsy nitsidika na any lavitra any, avy ity ny fotoana mba hizahanao ny vaovao momba ny Fiangonana Ekar Maria Mpanjakan'Iarivo Ankadivato sy mba hanohananao azy fa mila anao izy, mila anao ny Tompo hanavao ny tranony !
Manantena izahay fa ahitanao ny vaovao izay ilainao, ary hitondra ny soa sy fanambinana avy amin'izy Tompo ny fitsidihanao ity pejy ny Ekar Maria Mpanjakan'Iarivo Ankadivato maminao ity!

Ny Filohan’ny Komity Fankalazana ny Jobily
RAKOTOSON Elise

Bienvenue à  tous les visiteurs de ce site de ECAR Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato!
L’Eglise ECAR MMIA célèbre son 50ème anniversaire durant toute une année,  depuis le 29  mai 2011, jour de la fête de la paroisse jusqu’en mai 2012.
50 ans… déjà se sont écoulés,  laissant des rides sur nos visages d’humains, mais marquant des dommages  sur le toit et les murs de notre Eglise. Aussi, a-t-il été décidé de rénover le toit et de repeindre les murs de l’Eglise, en commémoration de  ce Jubilée et pour sauvegarder  ce patrimoine pour nos enfants, pour les cinquante ans à venir . 
Les travaux de rénovation du toit ont démarré et certaines parties de l’Eglise ont déjà été repeintes, tels l’autel  et la  tour de l’Eglise. Que vous habitiez à Antananarivo ou ailleurs, votre contribution est essentielle pour mener à bien ce projet. Vous pouvez la verser au compte bancaire ci- après :
EKAR Ankadivato, Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato, 101 Antananarivo, Madagascar
RIB n° 00008 / 00005 / 21000189114 / 89  Code Swift BFAV MGMG
(prière d'envoyer par e-mail le numéro de l'ordre de virement ou de versement)
Pour vous qui êtes au loin, c’est le moment de vous tenir informé des dernières nouvelles sur la vie de l’Eglise Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato, de lui témoigner votre attachement et votre gratitude en lui apportant votre soutien.
L’Eglise MMIA vous appelle ! Le Seigneur vous appelle pour restaurer sa maison, notre Eglise !
Nous espérons que les informations, sur ce blog de l’ECAR Maria Mpanjakan’Iarivo Ankadivato qui est le vôtre,  vous seront utiles et que cette visite vous apporte la bénédiction du Seigneur.
La Présidente du Comité de Célébration du Jubilée
Elise RAKOTOSON.