Tonom-bavaka ho an'ny Jobily

"AZA AVELA HANDALO FOTSINY FA MARIHO, SY IRAIKETO ARY IAINO"
Izany teny fanentanana mahafinaritra be izany no entin'ny Kômisiôna Fety sy ny Komity ny Jobily handraisantsika anjara feno sy tena hientanantsika am-pifaliana tokoa hankalaza ny Jobily faha-50 taonan'ny Fiangonantsika.
Hisy hestika marobe fa ny hatao manaraka dia ny fifaninana famoronana "Vavaka ho an'ny Jobily faha -50 taona" ka ny lahika rehetra dia tokony handray anjara daholo. Tsy mahazo mandray anjara kosa ny pretra, frera, masera.
© Catholique du net .be

Ny tonom-bavaka dia tsy maintsy aterina ao amin'ny sekretaria na ao amin'ny Pretrana na amin'ny Komity ny Jobily ny alahady 25 desambra 2011 fara fahatarany. Ny Mpitsara amin'izany dia ny Pretra mirahalahy.
Any amin'ny tapaky ny volana janoary 2012 izany no ahafantarana izay hahazo ny loka ka izany vavaka izany dia hatonta  (déplaint) ho azon'ny tsirairay avy.
Koa manentana antsika ary mba haneho ny fahafaliantsika sy ny firaiketam-po amin'ity Fiangonana mamintsika ity ka haneho ny sentom-bavaka ho an'ny Jobily sy ho antsika rehetra koa!
"Ho Voninahitry ny Raiko, raha mamoa be ianareo"
Joany 15,8