Paroasy MMIA Ankadivato

Voninahitry ny Ray fa Paroasy i Ankadivato

Nambara tamin'ny Fomba ofisialy tamin'ny alàlan'ny Sorona Masina manetriketrika fa Paroasy feno eo anatrehan'ny Fiangonana Katolika Romana ny Ekar Maria Mpanjakan'Iarivo Ankadivato tamin'ny Asabotsy 26 may 2012.
Ny Arsevekan'Antananarivo no nitarika sy nanao izany fanambarana izany ary nitsofan-drano ihany koa ireo ezaka vitan'ny Fiangonana hatrizay.
Mbola tafiditra ao anatin'ny fankalazana ny Jobily faha-50 taonan'ny Fiangonana daholo izany rehetra izany.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire