Fety Akany Soa Fonenako

"Ho Voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo"   Joany 15,8

Ny tao-trano hono tsy efan'ny irery, ary ny adidy tsy an'olon-dratsy, ny manao zavatra tsy mora ary ny entan-jaraina mora zaka, ka manoloana ny asa maro sady mavesatra tsy maintsy hatrehina eto amin'ny fiangonantsika dia nanantanteraka hetsika fitadiavam-bola na "levée de fonds" araka ny fehin-kevitry ny Filankevitra Paroisialy sy ny Komity ny Jobily ka sakafom-piravoana na "déjeuner dansant" no natao.
Roso ary ny fikarakarana rehetra izay somary nananonsarotra ihany satria naharitra volana maromaro izany.
Tamin'ny alahady 15 may 2011 no tanteraka izany teny amin'ny Akany Soa Fonenako, Mandrosoa Ivato. 
Hiaino an-tsary anie...

Ny filohan'ny FIPA, ny pretra sy filoha lefitry ny komity jobily sy FIPA nanokatra ny lanonana.
Le président de la paroisse (au micro), le RP Curé, les vice-Présidents du Comité du Jubilé et de la paroisse.

Ireo mpikambana vitsivitsy ao amin'ny Komity ny Jobily tarihan'ny Filohany Mme Elise Rakotoson (farany havia)
Quelques membres du comité du Jubilé et sa présidente Mme Elise Rakotoson (extrême droite)
vavaka sy hira no nisantarana izany fety izany satria "hay teo foana i Kristy..."
Prière et chant religieux ont précédé la fête proprement dite

... afindrafindrao amin'izay ity tafo tsy izy ity e...
La traditionnelle danse afindrafindrao pour ouvrir le bal...


Nafinaritra ! Tena nikorana tsara ! Nahafa-po ! ... izany no heno teny rehetra teny na dia teny ihany aza ny indro kely, tsy nahagaga izany satria...
  "HAY TEO FOANA  I KRISTY ..."